Iza ireto amin'ny sary ?
publié le 03/06/2010 - 23h07, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

Tovo Mbolatiana-Maxi
Mampitsikitsiky fatratra ny mijery ireo sary fahiny indrindra ireo olo-malaza , raha mampitaha ny ankehitriny sy ny niandohany .
Iza ary ireto amin'ny sary ?
I Mbolatiana izato etsy ankavia , ny endrika sy ny tsiky dia tsy niova :
teo anilan'i Poopy no nahafatarana an-dramatoa , nikopak' elatra izy taorian'ny niangaliany ny fanevan'ny
fety iraisam-pirenena miteny frantsay, na jeux de la Francophonie , manandratra ny mozika
Malagasy any andafin'ny riaka ny mpanankato amin'izao fotoana izao .
Izato etsy anilany kosa dia tsy iza fa ingahy Tovo j'Hay izay fanta-daza tokoa amin'izao fotoana izao .
Moa fantatrao ve fa efa tafaraka tanatin'ny tarika nantsoina hoe Maxi izy mianadahy tamin'ny taona 90 . I ranamana dia niverina teo amin'ny sehatry ny mozika, azo lazaina hoe tamin'ny fomba masiaka, folo taona taty aoriana .
Vaovao Farany : I Mbolatiana dia hiaka-tsehatra etsy Bastille Paris, amin'ny 12 jiona 2010 ao anatin'ny fampisehoana antsoina hoe Takalo .
I Tovo j'hay kosa dia heno matetika anatin'ny fampisehoana eto andrenivohitra, ary hankalaza ny faha 50 taona nahazaohan'ny
Madagasikara ny fahaleovan'tena , miaraka amin'ireo mpanankato maromaro any Lafrantsa amin 'ny volana Jiona .
plus d'infos
+ d'articles
commentaires