Andro iraisam-pirenena ho an'ny fandriampahalemana
publié le 19/09/2010 - 13h34, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

enfants milalao vovoka-Takariva.com
21 septambra 2010
Sivy taona sahady izao no nanokanan'ny firenena mikambana (ONU: Organisation des Nations Unis) ny 21 Septambra ho andron' ny Fandriampahalemana "journée internationale de la paix".
Andro vitsivitsy tao aorinan'ny fanafihana nataon'ireo mpampihorohoro tany New York (World Trade Center) ny 11 Septembre 2001, dia nofidian'ny ONU io andro io mba ho andro isainan'ny tsirairay ny vokadratsin'ny tsy fisian'ny fandriampahalemana eran-tany.
Ny fankalazana amin'ity taona ity dia natokan'Andriamatoa BAN KI -MOON sekretera jeneraly ny ONU hanaovana antso avo ho an'ireo tanora tsy vaky volo manerana an'izao tontolo izao dia ny mba handraisan'izy ireo an-tanana ny fitandremana mandrakariva ny fahandriampahalemana sy ny fampandrosoana ny fireneny tsirairay avy "Jeunesse pour la paix et le développement".
Tahaka ny firenena rehetra dia tsy diso anjara amin' izany fankalazana izany i Madagasikara. Arak'izany dia efa natomboky ny ONU ny 17 Septambra lasa teo tetsy amin'ny Panorama ny fanentanana ka nanasana mpanakanto maromaro, singanina amin'izany ny fandraisana anjaran'i Y-zit, Marion, Tiavina, Raboussa ary X-tah ny 18 Septambra ho avy izao. Izy ireo no hiezaka hanentana indray ireo malagasy indrindra fa isika tanora mba hanome lanja mandrakariva ilay fihavanana ka mba hahazoana mampanjaka hatrany ny fandriampahalemana.
Iaraha mahalala ny zava mitranga eto an-tanindrazana amin'izao fotoana izao, ny hantenaina dia ny hoe enga anie ka mba tsy handalo fe handalo fotsiny io andro io fa mba ho andro handinihan'ny tsirairay tokoa ny maha zava dehibe ny tokony hamerenana indray ny tena fahandriampahalemana mba hahazoan'ny tanora malagasy mampandroso ny tanindrazany.
plus d'infos
+ d'articles
commentaires