Fetin 'ny Fahaleovantena ( 50 taona )
publié le 08/06/2010 - 14h41, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

Mpanakanto erantany-Artistes
Ho avy eto Madagasikara ?
Hankalaza ny fahadimampolo taona nahazahoany ny fahaleovantena i
Madagasikara afaka andro vitsivitsy . Mba sadaikatra ihany ny tena maminavina hoe hanao ahoana ny mety ho fitrangany, ho an'ireo eto Madagasikara :
Ny eo amin'ny lafiny kolotsaina no mahaliana antsika : mpanankato
Malagasy mahenika ny telopolo no hamalifaly ireo tera-tany
Malagasy mila ravinahatra any ivelany, efa nodradradradraina enimbolana lasa izay fa mpanankato goavana mihoatra ny folo ny hampitotorebika ireo manodidina ny renivohitry Lafrantsa , ary haharitra herinandro ny fankalazana izany .
Dia hanao ahoana izany ny fankalazana ny
fety ho an'ireo monina eto Madagasikara ?
Sa hovaliana amin'ny tenin-dRatary hoe : lasa mpanankanto avokoa ny Malagasy !
tsetsatsetsa tsy aritra , fa ankoatra ireo mpihira roapolo izay hanafana ny andro ray toa zato, dia re siosio fa mpanankato goavana iraisam-pirenena no handrasana eto Madagasikara !
Ramatoa Celine Dion izay fanta-daza no miandoha ny lisitra ary voambara fa namafisina tompon'andraikitra ao amin'ny fitondrana : tsy misy izay tsy mahafantatra ny hirandramatoa ny
malagasy, eny na dia ny feony aza ho an'ireo izay tsy mahay ny fiteny frantsay : ''Pour qué ti mèm ancor ! ziggi ! sns
Ao koa i Britney Spears : ny zatovo vavy rehetra dia efa samy mba nianatra ny fomba fitafiny sy nihira ny kantony .
I christina Aguilera koa dia anisany, somary tsy dia manavanana antsika loatra i Ramatoa kely saingy mba samy efa nametraka ny sariny na ''poster'' teo amin'ny efitrano avokoa angambany .
Ny mpanakanto farany tafiditra ao anatin'ny mety ho tsaho sy honohono dia i Whitney Houston :
fa maninona marina moa ? anisan'ny mpanankato vahiny ankafizin'ny
Malagasy, iza no tsy mbola nandihy na nandefa hafatra tamin'ilay hira hoe ''I will always love U'' ;
saingy enga anie tsy hiantehatra tanteraka amindRamatoa izato ny heripon'ny mpikarakara, izay voambara fa ny Media Consulting, satria efa in-droa izao no naato ny fampisehoana tokony nataony tetsy Bercy, ary niafara tamin'ny famerenam-bolan'ireo izay namandrika toerana mihintsy aza .
Tsy hadino ny tsy hiresa-bola : voambara ho 6 milliards d'Ariary ny teti-bola holaniana amin'ny fivahinianan'ireto mpanankanto izay tsy ho avy maimaim-poana tsy akory .
Samy manana ny heviny amin'izay tena hisy marina !
Hoy ny Ntaolo hoe ''Ny mahasoa alohan'ny mahafinaritra '', hanova ny ampitson'ny
Malagasy ve ?
plus d'infos
+ d'articles
commentaires