Fetin 'ny Fahaleovantena ( 50 taona )
publié le 25/06/2010 - 21h14, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

Fille drapeau Malagasy-Takariva.com
Fankalazana ny asaramanitra eran-tany
Nanomboka herinandro izay , dia nilomano tanteraka tao anatin'ny
fety amandanonana ny renivohitry Gasikara sy ireo faritany enina ,
Nankalaza ny fetin'ny mozika ireo mpanankato nahenika ny 500 no nanantotosa ny filaharambe na carnaval nihazo an'Andavamamba ny Alahady faha 20 ny volana Jiona .
50 taona katroka no nahazahoan'ny
Madagasikara ny fahaleovantenany , maharitra herinandro ny fankalazana izany niantomboka ny zoma faha 19 ny volana jiona ary hiafara ny 27 jiona .
Mpanakanto maro no nifandimby teto
Antananarivo , torakizany ihany koa ny any amin'ny faritany .
Nanomboka nifandimby tetsy Anosy nanomboka ny Alatsinainy ireo mpanankanto
Malagasy avy eto antoerana : Rebika , Firmin .
Ny talata kosa dia ny antsapiderana no nandimby izany tetsy amin'ny lapan'ny fanatanjahan-tena : Fanja Andriamamonjy, Anyah, Stenny ...
Ireo mpiangaly Rock kosa no nisantatra ny sehatra ny Talata alina : Kiaka, Iary, Mage 4, Iraimbilanja, Black Jacks ...
Ingahy Big Ali izay mpikirakira kapila mangilatra no sady mpanentana malaza eran-tany kosa no nisantatra ny sehatra avy aminireo mpanankato vahiny izay nandrasana , ny faha 22 ny ny volana jiona ..
Ny tarika Kassav izay tsy zivina amin'ny
Malagasy kosa no nanafana an'Anosy ny faha 23 jiona .
Ny faha 25 jiona dia ny alin'ny arendrina sy afomanga !
Ny fehezany farany dia ny andron'ny Sabotsy faha 26 , mpanankato maherin'ny 50 no hifandimby an-tsehatra , Tapolaka no niantson'ny mpandrindra azy dis tsy iza fa i Rossy .
I ramatoa Brick and Lace no hampihetsika an'Andrenivohitra ny aorian'ireo mpanankanto
Malagasy , arahin'ilay Mpanankato Frantsay hoe Nadia .
I Aina Quach sy Fenoamby no hampitotorebika ireo
Malagasy mila ravinahitra any amin'ny tanin'ny Oncle Sam
Any Paris kosa dia mpanankato 14 no hampihetsika ireo mponina etsy Savigny ny alin'ny 25 sy 26 jiona
Havoaka tsikelikely ny sary maneran-tany , vangivangio matetika hono Takariva.com !
plus d'infos
+ d'articles
commentaires