Fetin'ny Ray
publié le 19/06/2009 - 21h35, par Ralantoarison

Homme Gasy-Flickr
Fanomezana mendrika indrindra ho an'i Dada
Anokanana lahatsoratra manokana ny fetin'ny Ray eto amin'ny tranokalan'ny takariva, hiadiankevitra sy hifanakalozan-kevitra manodidina izany fankalazana ny fetin'ilay nahitana masoandro izany .
Inona ary hoy ianao ny fanomezana tsara indrindra ho an 'i Dada ami 'ny vaninandro tahaka izao ?
Eo ny fanomezana maro isankarazany, izay tokony hifanentana amin'ny zavatra tiany , na mifanaraka aminy na amin'ny zavatra niriany .
Mila fotoana sy fanomanana izany fisafidianana fanomezana izany satria tokony ho vokatry ny fo . Fifaliana ho an'ireo ray aman-dreny ny mahita ireo zanany mifankatia sy tonga manome voninahitra azy amin'ny vanim-potoana tahaka izao .
Fahasambarana ho azy ireo ny fiovana na zava-baovao avy aminao :
ohatra raha nisy disadisa taminao sy izy dia ny andro toy izao no fanavalonana izany tsy fifankazahoana izany ;
Ny fifanakalozana teny mamy teo amin'ny ray amandreny sy zanaka dia tsy mba fombatsika loatra na nahazatra antsika
malagasy amin'ny ankapobeny , nefa mety ho fanolorana tsy voatakalo raha izany no atolotrao ireo loharano nipoirana amin'ny alahady ho avy izao .
Ny tsara asongadina eto dia hoe tsy voatery tolotra azo tsapain-tanana no atolotrao , fa maro ireo hevitra , na fitsangatsanganana aza dia mety ho zava-dehibe mety hotsaroany mandrapikipy ny masony .
Ho anao zay lavitra dia aza hadino ny antso an-tariby na taratasy raha toa ka tsy afaka manao izany , fiarahabana sy firariana fahasalamana no voto-kevitra nefa tadidio fa famalifaliana no tanjona tokony kobonin'izany fiarahabana izany .
Mirary faran'ny herinandro sambatra ho antsika rehetra ary miarahaba ireo ray rehetra eran-tany izahay zanaka, ary tsy mitsahatra ny misaotra anao tamin'ny zavatra rehetra izay nataonareo .
TANTARA
Ny fetin'ny
Reny izay efa nisy nanomboka ny taona 1900 , izay fanomezana amboara ireo
reny mendrika indrindra tamin'ireo maro anaka . Tafiditra tao amin'ny fanisana andro izany ny 26 aprily 1926 , ary voasonian'ny filoham-pirenena frantsay izany ny 24 may 1950 ary tapaka fa hankalazana ny alahady faran'ny volana may na ny alahady voalohan'ny volana jiona raha mifanindry amin'ny Pantekoty .
Ny tantaran'ny fetin'ny Ray kosa dia niainga tany Etazonia ( Spokan , Washington ), taorianan'ny fandrenesana ny fankalazana ny fetin'ny
Reny no nanolo-kevitra i ramatoa kely Sonora izay notaizan-drainy fony fahakeliny, ny fankalazana ny andron'ny fetin'ny Ray ny vola Jiona , volana nahaterahan-drainy , izay notohanan'ny filoha teo amperinasa ny taona 1924 , ary voasonia tamin'ny fomba ofisialy izany ny taona 1966, fa hotontosaina ny alahady fahatelo amin'ny volana Jiona .
Ralantoarison
May 2009
plus d'infos
+ d'articles
commentaires