vous êtes ici:  
connexion
PROMO

Nodimandry i Rado

publié le 18/09/2008 - 21h40, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

   
   
   
   
   
votez :  
Diminuer la taille du texte Augmenter la taille du texte

Stade Ankorondrano-takariva Stade Ankorondrano-takariva
Very olomanga ny malagasy

Nandrasana tetsy amin 'ny stade Ankorondrano ny nofo mangatsiakan'i Tompokolahy
 Iza moa i Rado ? 

I Rado mihitsy no nanoratra ity CV atolotra ho anao ity. Tamin'ny 21 mey 2008 lasa teo no nanaovany azy. Asa, toa efa nandindona azy angamba izao fandaozana antsika izao.

Anarana : ANDRIAMANANTENA
Fanampinanarana : Georges
Teraka tamin'ny : 1 oktobra 1923, Tao Ambohipotsy - Antananarivo
Ray : ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina (eLa-maty)
Reny : RAZAFINDRAFARA (efa maty)
Fiaviana : lafin-dray : Betsizaraina - Antananarivo
Lafin-dreny : Amboanana - Arivonimamo
Solon'anarana amin'ny asa soratra : Rado noho ny fitiavany ilay Ohabolana hoe : "Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho rado" (mitory hatsaran-tarehy)
Vady : RAVOLOLONA Edwige
Zanaka : Enina mianadahy (4 vavy, 2 lahy)
Zafikely : 14
Zanajafy : 12
Sekoly nianarana :

• 1929 - 1931 : Ecole Officielle Faravohitra
• 1932 - 1940 : Ambohijatovo Atsimo (FFMA)
• 1941 - 1942 : Kolejy Paul Minault
• 1943 : Chambre de Commerce (fianarana comptabilité)
• 1959 - 1960 : Centre International d'Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg- France)

Asa natao :
• 1943 - 1955 : Préservatrice Assurances
• 1955 - 1966 : Gazety Hehy (nanao gazety)
• 1967 - 1974 : Talen'ny Trano Famoaham-Boky Protestanta Imarivolanitra
• 1975 - 1977 : Niverina tao amin'ny Gazety Hehy
• 1977 - 1989 : Tale tao amin'ny Ministeran'ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto Revolisionera

Asa soratra : " Dinitra " (1973) ; " Ando " (1977) ; " Zo " (1980) ; " Sedra " (1993) ; " Ny Teny Malagasy " (1994) ; " Tsy maintsy mipoaka " (2002) ; " Voninkazo adaladala " (2003) ; " Fiteny roa - En deux Langues " (2005)

Manana tononkalo voadika amin'ny teny : Rosiana, Anglisy, Frantsay, Alema. Fikambanana misy azy : Havatsa - Upem : Union des Poètes et Ecrivains Malgaches Filohamboninahitry ny Fikambananan'ny Mpikabary eto Madagasikara, Mpikambana Mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy (Membre Titulaire)

Talenta hafa : Sary hosodoko, paik'afo (pyrogravure), kiky fitaratra (gravure sur verre), tosi-by (métal repoussé), famoronana hiram-bavaka. Ala voly : Jono (ranomamy sy ranomasina), filalaovana amin-jafikeliny Mariboninahitra : (nomen'ny Fanjakana fa tsy nangatahana) : Chevalier, Officier, Commandeur, Grand Officier, Grand Croix de 2ème classe de l'Ordre National Malagasy Toerana nanaovany fampirantiana Zavakanto : Antananarivo, Francoville, Paris (Frantsa)

Fanolokoloana : Tao an-tokantranon'ny raiamandreninay, ankoatra ny fitaizana kristiana izay tena nimasoan'izy ireo fatratra, dia nisy koa fanabeazana sy fanolokoloana noraisina tamin'izy ireo.

 Isaky ny Alarobia hariva, alohan'ny hatoriana, dia misy fotoam-pivavahana iombonanay mianakavy, ka ifandimbiasana isan-kerinandro ny ftarihana azy. Tena nahasoa anay mianadahy isany izany. Ivelan'ny fitaizana azonay teo anivon'ny Fiangonana isan'alahady mantsy dia manatanjaka ny fijoroanay ho kristiana teo anivon'ny fiarahamonina izany, mandraka ankehitriny.

 Aorian'io fiaraha-mivavaka io koa dia ampianarina ny fomba amam-panao maha Malagasy izahay. Indrindra ho tia sy hahay ny Teny Malagasy. Izay tena nimasoan'Idada tamin'izay dia ny fampahatantarana ohabolana Malagasy taminay. Tsy maintsy mahay sy mahafantatra iray isan-kerinandro izahay, ary raha ilaina aza dia hiverenena amin'ny manaraka iny raha mbola tsy mazava.

 Ankoatra'ireo dia nampianarina ho tia hira, tantara, angano, mozika, sary, sol-fa, zava-maneno. Azoko lazaina fa ny fampitiavany anay ireny kanto ireny no nitarika anay ho amin'izao toerana misy anay ankehitriny izao : mpanoratra, mpanao gazety, mpamoronkiram-bavaka, mpanao sary, mpamorona zava-kanto. Nezahiny ny nividy harmonia hianaranay mitendry, na dia elaela ihany aza ny fanefana izany, fa naloa tsikelikely.

 Nampidirina tany amin'ny Fitaizana Tily koa izahay mirahalahy. Manampy ny fitaizana maha olona koa izany : hahay mihafy, mahay mikarataka mba tsy ho very mandeha, hahaleo tena ary hahalala ny tontolon'ny fiaraha monina, ho tia tanindrazana sy hatahotra an'Andriamanitra.

 Izany rehetra izany mitambatra no lasitra nibeazanay mianadahy avy. Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin'ny andron'ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan'olona tsy misy ilana azy ny firenena.

Antananarivo, 21 mey 2008.
ANDRIAMANANTENA Georges RADO



plus d'infos
+ d'articles
commentaires


évenements
évenements mode
accueil
actus
news
vaovao Mada
internationnal
serie-E
droits et devoirs
sciences
mozika
artiste
tête à tête
zoom star
découverte
mozika malaza
gasy award
m@gasy
anatry ny ntaolo
tradition à la superstition
fantatrao ve
lalao
kabary
fashion
fashion victim
metiers de la mode
fashion mada
fashion eu
club
le blog
fun
messages
contributions
servives+
adresses utiles
annonces
medias
movies
samples
diaporamas
Sport
l'hebdo gratuit
Sport n°
Sport chez vous
tout Sport en PDF
où trouver Sport ?
B2B



accueil | actus | mozika | m@gasy | club | services+ | médias



Plan du site
Accueil:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club:  lien1 , lien2
Divers:   lien1 , lien2 , lien3
Blog:   lien1 , lien2 , lien3

Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés