vous êtes ici:  
connexion
PROMO

Vinavina tsotsotra raha atao sary

publié le 29/01/2012 - 09h57, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

   
   
   
   
   
votez :  
Diminuer la taille du texte Augmenter la taille du texte

Bodo Tovo j'hay an-tsehatra-takariva.com Bodo Tovo j'hay an-tsehatra-takariva.com
Ho lasa mpihira fivavahana daholo izany ny Malagasy rehetra ?

Aleo hindramiko amin-dRatary ilay hoe "Tapitra mihira avy ny Malagasy".
Nanomboka ny taona 2000, dia niakatra avo dia avo ny isan'ireo mpihira mba tsy hilazana avy hatrany hoe mpanankanto satria hoy ny Ntaolo hoe , mila mahafeno fepetra 3 vao azo lazaina hoe Kanto marina ! Mbola tsy hotanisaitsika aloha ireo fepetra ireo hatreto , satria vao hanomboka isika dia mety betsaka no hiala an-daharana ! 
Raha ny voalohany fotsiny ohatra dia mila ny fankatoavan'ny mpihaino mba ho sokajiana ho kanto ny hira iray .
Na mahay na tsy mahay mihira dia mandray micro na miseho raikitsarin-kira *avokoa ireo izay milaza fa manana aingam-panahy ,  
Ankoatran'izay koa dia zary mirona mankany amin'ny hiram-pivavahana avy ny rehetra, na ny matianina , na ireo vao misondrotra . Ny tena mahavariana moa dia ireo tsy fantatra hoe avy aiza no nipoirany , ka tonga dia manokatra fihirana dia mandray gitara dia roso ny dia . 
Mampalahelo ihany ny fivavahana ankehitriny , fa efa sady voaloham-pitaovandry mpanao politika amin'ny fiadina seza , no sady babon'ireto mpanankanto indray hisotomana ny fon'ireo izay tsy manam-panantenana intsony .
Ekena ary fa fanaon'ny mpanakanto iray no manomboka ny fisehoany an-tsehatra amina hiram-pivavahana , ekena ihany koa fa tsy maintsy misy hira na dia iray aza ao anaty raiki-kira iray .

Akehitriny anefa , tonga saina ny maro fa ny fivavahana ihany sisa no atokisana fa hameno kianja , ka maninona marina moa , raha midera ny anaran'ilay ao ambony , satria sady hiditra ao am-paosy ny vola no mety ho voavonjy ihany ny tena, amin'ny andron'ny fitsarana farany .
Tombotsoa manokana ihany koa satria samy tsy misy tompony ny mitonona ny anarany , na ny fiangonana aza .
Tsetsatsetsa tsy aritra izany rehetra izany, am-bava hono homana am-po mieritreritra .
Afaka miresaka eto amin'ny rindrina ihany koa ianao, raha manam-paniriana hitondra ny hevitrao .
Anisan'ireo mpanakanto farany namoaka raiki-kira fivavahana i Bodo , izay tsy zovina amintsika intsony .
Somary nanaitra anay ihany ilay soratra teo ambonin'ilay kapila mangirana hoe :
"ce Cd sauve des vies " dikaina hoe "mamonjy aina ity kapila ity .
Nanontany ny tompon'andraikitra , amin'izay mety ho tanjona marina mikasika izany izahay , satria maro no mety handikan 'ny tsirairay io fehezan-teny io,dia nahazo ny fanazavana manaraka :
ny tombony ho azo amin'ity raiki-kira ity dia entina hanampiana ireo sembana eo amin'ny fampidirana azy ireo eo amin'ny tontolo , izay noporofoindry zareo tamin'ireo boky fanazavana samihafa .
Ity mpanakanto izay deraiko manokana , satria mbola tsy nanadino ireto niangaran'ny vintana ,  




plus d'infos
+ d'articles
commentaires


évenements
évenements mode
accueil
actus
news
vaovao Mada
internationnal
serie-E
droits et devoirs
sciences
mozika
artiste
tête à tête
zoom star
découverte
mozika malaza
gasy award
m@gasy
anatry ny ntaolo
tradition à la superstition
fantatrao ve
lalao
kabary
fashion
fashion victim
metiers de la mode
fashion mada
fashion eu
club
le blog
fun
messages
contributions
servives+
adresses utiles
annonces
medias
movies
samples
diaporamas
Sport
l'hebdo gratuit
Sport n°
Sport chez vous
tout Sport en PDF
où trouver Sport ?
B2B



accueil | actus | mozika | m@gasy | club | services+ | médias



Plan du site
Accueil:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club:  lien1 , lien2
Divers:   lien1 , lien2 , lien3
Blog:   lien1 , lien2 , lien3

Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés