vous êtes ici:  
connexion

Fanahy maha-olona

publié le 14/04/2008 - 20h28, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

   
   
   
   
   
votez :  
Diminuer la taille du texte Augmenter la taille du texte

sunset-TAKARIVA / TAKARIVA sunset-TAKARIVA / TAKARIVA
Pasteur maihol manao fahagagana

Naparitaka t@ haino aman-jery rehetra mba ho ren'ny be sy maro fa tonga hanafaka ny Malagasy @ asan-devoly izy, nisy ny sary naseho mba hanaporofoana ny fandalovany tany sy ny asa izay nataony, eto anefa dia mipetraka ny olana satria na dia ireo mpino kristianina namana sasany aza dia tsy dia tena marisika loatra ny hino ary betsaka ny fisalasalana satria tsy mifanaraka loatra @ finoana angamba ozizy izy ireo.
Eto ary dia mipetraka ny adihevitra hoe tena fanavotana ny fanahin'ny Malagasy marina ve ilay izy satria raha mijery ny zava misy ankehitriny tokoa dia azo lazaina fa mila fanavotana isika sa kosa fisintonana olona iany mba hanaraka ny fireheam-pinoany.

Tiana ny manamarika fa ny Malagasy dia hatrizay hatrizay no nanaja ny maty (eto mo zany dia apetraka tsara fa nody no ilazana ny maty, satria @ malagasy tokoa dia tsy vato misakana @ fiarahana ny fahafatesana, ny mifanohitra aza satria @ finoana tena Malagasy dia lasa mpiaro ny lalan'ireo izay mbola ety an-tany izy ireo, ka ny fankanesana any Ambondrombe izay vohitr'ireo fanahy dia karazana fihantsiana ihany ka mety izay ve no nahatonga an'iny fivahinianana tany iny ho lasa tsy dia tena fahombiazana araka izay mety ho niheveran'i Pastora Mailhol azy.


TENY TSY VALIANA FA ENY AMPON'NY MAHALALA: Tsy sanatria hanao didiko fe lehibe na hanao teny ampihimamba ka tsy hamela antsika rehetra handray anjara fa ity sehatra ity dia natokana ho antsika izay manan-kambara @ teny tsotra sady tsy dia lava ary indrindra indrindra tsy misy ambadika nefa tsy maniry ihany koa ny hisian'ny ady hevitra lava be momba azy fa mba tia fotsiny ifampizara traikefa sy fahalalana.
Fa na @ zavatra ratsy na zavatra tsara, mahaiza mandefitra fa ny fandeferana no antoky ny fihavanana.



commentaires




accueil | actus | mozika | m@gasy | club | services+ | médias



Plan du site
Accueil:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club:  lien1 , lien2
Divers:   lien1 , lien2 , lien3
Blog:   lien1 , lien2 , lien3

Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés