|
|
|
|
Na, na, na, yeah, yeah
Nataoko ihany angamba ny azo atao Hoentiko hanadinoana anao 'Reo fahatsiarovana nisy taloha navaloko
Nitady olon-kafa 'zaho nasolo anao Nefa tsy haiko ihany Mbola tianao foana aho, mbola miandry anao Ka tsy haiko ny atao.
Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy Ny anilanao no mba nahitako hafanana Ka aleo hifona aho, tia anao hihanta eo anilanao Na ny andro manjombona mamirifiry Hamiratra foana izy na nampangatsiaka Fa teo foana ianao, tonga aho hitalaho Hoe aza mandao
Hatramin'izay tsy nahateo anao toa alahelo foana Nanjary hakiviana feno fahoriana ny fiainako Mila anao foana aho, miandry anao, aza ariana
Ka mba mitalaho, raha azo atao Mba ho eo...
Anilanao ihany angamba ny hahatsara ahy Ny anilanao no mba nahitako hafanana Ka aleo hifona aho, tia anao hihanta eo anilanao Na ny andro manjombona mamirifiry Hamiratra foana izy na nampangatsiaka Fa teo foana ianao, tonga aho hitalaho Hoe aza mandao
Mbola miandry anao foana aho Miandry anao ny toeranao Koa mba lazao izay sitrakao na holavinao
Efa nifantena izaho sy ianao Nifanaraka tsy hisy hifandao Aza avelanao irery foana aho Aza dia avelanao hisento aho Fa te mba ho namanao
Anilanao ihany...
Marion |
commentaires
|
|
|
|
|
Plan du site
Accueil: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika: lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club: lien1 , lien2
Divers: lien1 , lien2 , lien3
Blog: lien1 , lien2 , lien3
Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés
|