|
|
|
|
|
|
Raki-tsary novokarin'ny sarysyfeo.mg Malagasy Graphic
Notontosain'i Tsila Andria
Nahazo ny mari-pankasitrahana natolotry ny foiben'ny Firenena mikambana ao Madagasikara tamin'ny fankalazana ny andron'ny Zon 'ny maha-olombelona ny 10 desambra 2009
Mpanakanto nandray aajara : Y-Zit, Tiavina, Marion, Raboussa, Xtah
|
Miantso anao
Y zit Y'mar... Mba hitanao reo mandady reo mangina foana Miteny hoe marary kanefa moana Mitalaho fa tsisy mandeha Mirenireny, mitaditady, voabaikobaiko, voasazy Maniry ny fiarovan'ireo anjely Mitaraina ireo maso fa te hojerena Hiran'ny fo, ny feo tsy hangina fa miantso anao Antso atolotro anao
Tiavina Feo ray ihany androany no hiteny Fihavanana iray ihany no jerena Tsy hadalana no miandry anio fahasambarana io anjara masoandro fa mijoroa Feo iray ihany androany no hiteny Hafaliana iray ihany no ketrehina Ary ho avy tsy ho ela Andao hampitempo ny fo
Y-zit mila Hiantso ny fo tsy hangina Fiadanana no ilaina ka tsy hangina Antso anao , raiso ho anao mila hiantso ny fo tsy hangina Fiadanana no ilaina ka tsy hangina Antso anao , raiso ho anao
Marion Ka miangavy re ra azo atao Mba hitodika mba ho azy indray Hihazona izao fiainana izao Ny mangidy no mba tao antsainy De ho herisetra fona ve tsy ilaina na ho tantara tsy hita intsony zany lay hoe tany sambatra i gasikara
Tiavina Feo ray ihany androany no hiteny Fihavanana iray ihany no jerena Tsy hadalana no miandry anio fahasambarana io anjara masoandro fa mijoroa Feo iray ihany androany no hiteny Hafaliana iray ihany no ketrehina Ary ho avy tsy ho ela Andao hampitempo ny fo
Y-zit mila Hiantso ny fo tsy hangina Fiadanana no ilaina ka tsy hangina Antso anao , raiso ho anao mila hiantso ny fo tsy hangina Fiadanana no ilaina ka tsy hangina Antso anao , raiso ho anao
Raboussa Lay fandresena tsy mba fantatra Hoe hotraniza loatra zany filaminana Fa ny anareo ny feombasy no toa mifaninana Toa tsy mahalala hoe hijaly nge zay dimby sy fara Fa hotrany anareo rery lay Madagasikara Toa tsy ao le maha olombelona sa ve nodimandry tandremo fa ny fitia nge mahery no ny sandry de miala tsiny fa mety mafimafy lay fiteny Hoe ianareo ve mbola ho mendrika ho Ray amandreny
Xtah gasikara, hifapitarik'aiza reto zanakao Ndao ho any aminy tsara ho velona zay sahy makao Nitsahatra ny rediredy fa ndairan 'ny rebireby Ny malagasy lavitry ny tebiteby Samy gasy amin'ny fo ra hiaro ny zo Samy gasy mahavoa ra hiaro ny soa samy narary afaka samy sitrana Ao ny fihavanana afaka samy hamitrana
Y-zit mila Hiantso ny fo tsy hangina Fiadanana no ilaina ka tsy hangina Antso anao , raiso ho anao mila hiantso ny fo tsy hangina Fiadanana no ilaina ka tsy hangina Antso anao , raiso ho anao Raboussa Antso ray , atolotra ho an'izay manam-panahy Sy izay mbola mahatsapa fa manana adidy amin'ny fanasoavana an'i Madagasikara Mba hitongilanan'ny fony Mba hitongilanan'ny fanahany Mba hitongilanan'ny vatany Mba hitongilanan'ny sainy Amin'ny fitandrovana ny zon 'ny maha-olona Mba hitopizan'ny maso ho an'ny taranaka amam-para Mba hisian'ny fanajana anajakan'ny fifankatiavana De hisy marina ny fiovana de refa vita izay de nosy mahate honina i Madagasikara Teny atsipy ho an'izay manatsofina Avy amin 'ny bandy kely Okay
Y'mar, Tiavina, Raboussa, Xtah
|
commentaires
|
|
|
|
|
|
Plan du site
Accueil: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika: lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club: lien1 , lien2
Divers: lien1 , lien2 , lien3
Blog: lien1 , lien2 , lien3
Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés
|
okay mbade