|
|
|
Hira atolotra ireo Reny rehetra
|
Raha ny tebitebiko Ny amin'ny ho avin'ireo zanako No nosedrainao koa tamin'ny andronao taloha Dia rariny raha tiako ianao Raha ny fifaliako Ny amin'ny fitositosiny No fahasambaranao koa tamin'ny andronao taloha Dia rariny raha tiako ianao REF:zao lehibe izao,miaina izay niainanao vao tena tsapa ilay fitiavanao ka tafatoetra ao am-poko ao fa rariny raha tiako(2)ianao Raha toy ny jaliko Rehefa marary izy indraindray No fahorianao koa tamin'ny andronao taloha Dia rariny raha tiako ianao Raha ny fahatezerako Rehefa misy ditraditra izay No efa niainanao koa tamin'ny andronao taloha Dia rariny raha tiako ianao REF:zao lehibe izao,misedra izay niainanao..... Raha toy ny fanahiako Rehefa manotany tena aho indraindray Ho tiany foana aho ve,rahatr'izay izy lehibe? Dia matoky fa tiako ianao REF:zao lehibe izao,misedra izay niainanao... |
plus d'infos
+ de vidéos
commentaires
|
|
|
|
|
Plan du site
Accueil: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika: lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club: lien1 , lien2
Divers: lien1 , lien2 , lien3
Blog: lien1 , lien2 , lien3
Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés
|