|
|
|
|
|
|
Tarika manana ny lazany hatramin'ny zay ka hatramin'ny zao , miezaka ny mametsovetso antsika indray amin'ireo hira nahafatarana azy
|
Maro ny roy fa tsy tambo isaina ny vony ao an-tsaha Ny isany mantsy tsy takatra an-tsaina fa maro mpizaha Raha toa tanisaina isan-toko izy ireny dia be samihafa Miavaka anefa ilay Voninavoko izay tiako hitafa
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
Ny beldezoro dia tsy azoko afenina fa tena ambony Ary manalasala ny fiandry lavenona mody tsy mony Mpanjakan'ny hazo ireo telomiova fa toa hafa foko (hafa foko) Tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
Ireo voninkazo voalazako teo sy ireo sisa rehetra Raha maintany dia miova ny vony sy ny hery rehetra Fa tokana kosa sy mahaleotena na dia valambalana Ilay voninkazo iray tena kanto eny an-tanimalalaka
Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady Na verovenina na violety mijoro toa kiady Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko) Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko
VONINAVOKO
|
commentaires
|
|
|
|
|
|
Plan du site
Accueil: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika: lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club: lien1 , lien2
Divers: lien1 , lien2 , lien3
Blog: lien1 , lien2 , lien3
Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés
|