vous êtes ici:  
connexion
PROMO
Installer flash player !

Sedra par Poopy


publié le 14/12/2008 com |  3588 vues


Hamarana ny taona 2008 sy ny fankalazana ny faha-25 taona niakarany sehatra any Frantsa ny mpanakanto .

Efa ela ihany izay
Ny fotoana niarahana
Nifanaiky izaho sy ianao
Tsy hisy ny fisarahana
Dia nivolana ny ho doria
Nanome toky hifankatia
Ho toy ny lamban'akoho ny fiarahana
Faty no hisarahana

Dia samy novolavolain'ny fiainana teny isika
Dia samy nandalo sedra niharitra ny mafy
Asa raha ny aminao, fa mbola manantena aho
Ho matotra, ho mafy ny fatotra

Taty aoriana indray
Nisy kapoka nahamay
Nisetrasetra ianao
Mba nianjona koa aho
Ka ny tady nihenjana
Ts'isy nety niresaka
Dia navalona teo ilay ho doria
Nolotoina ilay fitia

Dia samy novolavolain'ny fiainana teny isika
Dia samy nandalo sedra nizaka fijaliana
Tsy resy anefa aho, mbola mijoro koa ianao
Samy vonon-kisedra ny ho avy hiseho indray

Tsy resy anefa aho, asa raha mbola hijoro ianao
Samy vonon-kisedra ny ho avy hiseho indray.


plus d'infos
+ de vidéos
   
   
   
   
   
votez :  


commentaires




accueil | actus | mozika | m@gasy | club | services+ | médias



Plan du site
Accueil:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy:   lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club:  lien1 , lien2
Divers:   lien1 , lien2 , lien3
Blog:   lien1 , lien2 , lien3

Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés