|
|
|
Rakotra ny sehatra maintson'Antsahamanitra t@ faha 02 may lasa teo , fampisehoana voalohany goavana nataon'i Y-zit teto Antananarivo , taorian'ny nahafantarana azy tao amin'ny tarika Tragedie .
Raki-kira vaovao no voan-dalana nentiny ho an'ny tanindrazany izay mirakitra hiragasy vitsivitsy . Anisan'izany ity sombiny izay horenesitsika notsongaina tao amin'ny fampisehoana tao Antsahamanitra . Fo mijaly (Y-zit )
|
Misentosento loatra, potika ny fo Niandriandry loatra, mivakivaky loha Nefa ianao tsy hitako eo anilako eo Lasalasa teo ny fitiavanao Tsy heno ity fo fo miantso anao Tsy ho rava ity fitiavako anao Ny aiko de tsy hilaza ny hanadino anao Ity zanatsika mampatsiaro anao Rehefa mijery azy, ianao no hitako Rehefa misakambina Ny tananao no tsapako Fo mijaly no miantso anao Fo mitia no tiako omena anao Tsisy hanakana, tsy mety levona Ny toerana nomeko anao Nandefa taratasy tsy misy valin- teny Tena very saina mantsy Fa tsy sahy miteny Ny hany hery ny fitondran' ny ao ambony Miantso anao ry ray, omeo ahy ny hery Ny sitraponao ho ahy Ho soa fa ano am-poko Dia fantatro fa mbola tena mila anao Ny aiko.... Raha zay sedram piainana mandalo fotsiny ihany Ka na be ny adin-tsaina Mandreraka sy mampiondrika amin'ny tany Ny safidin ity foko Efa mitepo ho anao Na tsisy omeko n' iza n' iza no hitepo |
commentaires
|
|
|
|
|
Plan du site
Accueil: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Actus: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3
Mozika: lien1 , lien2 , lien3 , lien3
M@gasy: lien1 , lien2 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3 , lien3
Club: lien1 , lien2
Divers: lien1 , lien2 , lien3
Blog: lien1 , lien2 , lien3
Copyright © 2008 Takariva Tous droits réservés
|