Lalatiana
publié le 08/06/2009 - 00h42, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

Lalatiana-Takariva.com
Ny mikasika azy rehetra
Mombamomba azy
• Anarana : Malalatiana Vatosoa RAJAOFARA, antsoina hoe LALATIANA
• Daty nahaterahana: 08 may
• Toerana onenany : Frantsa sy Madagasikara
• Asa atao : mpihira
Niainga tao anatina fianakaviana mpanao zava-kanto ve ianao ?
Ny raiko dia mpamoron-kira sady nanana Tarika nantsoina hoe "Ny Avoko" tamin'ny fotoan'androny. Mpitarika ny Amboaram-peo tao amin'ny Fiangonana nisy anay koa izy, ka izany no nahatonga ahy niditra tao amin'io antoko mpihira io dieny mbola kely, nanaraka azy mampianatra hira... Ny reniko dia nihira tao amin'io tarika io, ary ny renibeko (arrière grand mere) dia mpilalao tantara an-tsehatra nanana ny naha izy azy... Tiako hambara koa fa maro ny olona ao amin'ny fianakaviana no manana talenta mihira sy milalao an-tsehatra raha tsy ireo izay voalaza ambony ireo ihany, ary ny fivoriana dia tsy ialàn'ny vetsovetso...
Taona firy no niaka-tsehatra voalohany ?
11 folo taona aho no niakatra an-tsehatra voalohany... nihira ny Imaitsoanala (hiran'I Vola sy Noro), ary tsy nahatody hatramin'ny farany fa nitsoaka, satria tera-dranomason'ny henatra sy ny tahotra! Efa efa-polo taona mahery aho izao...
Fanirinao fony mbola kely ve ny zava-kanto ?
Faniriana? fitiavana angamba, sa talenta efa nitaiza? hoy ny fitenenana hoe "latsaka tao anatin'ny hira aho vao teraka teto an-tany!"
Ny kanto nahafantarana anao voalohany ?
Lasalasa ambiroa, fony izao tao amin'ny tarika ORO, fa ny hira voalohany noforoniko sy nandraisako anjara tamin'ny fifaninanana "Découvertes RFI 86" dia "Ho an'iza ny masoandro"
Inona ny hira heverinao nifikiran'ireo mpakafy anao aminao ?
"Avelao... ?
Iza no mpanoratra sy mpandrindra ?
Misy ireo hira , izaho no mamorona ny feony sy ny tonony, fa miara miasa amin'ireo mpanakanto manana talenta manokana ho amin'izany koa aho. Ny anadahiko koa dia mandray anjara be amin'ny famoronanan ny hira sasany hiraiko ...
Ny lohahevitry ny hiranao ve niainanao ?
Fitavana amin'ny ankapobeny, fiainana...Zavatra niainako? indraindray eny, indraindray tsia...
Misy hafatra ve fonoson'ny tononkira ?
"...fa ny hira izay hiraiko no ahafantaranao ny amiko
na ny zavatra tsy tiako, na ny zavatra izay mamiko,
ireny tebitebin-tsaiko, sy ny hafaliam-poko,
Izay rehetra toe-panahiko, ny ahiahiko finoako..."Lalatiana, taona 1987...
Voaray , misy mpanakanto ankafizinao kokoa miohatra amin'ny hafa ?
Tsy manana anarana manokana ho lazaina aho, fa mankafy izay hira mahasarika ny fitiavako sy ny saiko eo am-pihainoana izany... Mety ho ny tonony no manohana ahy, mety ny feony, mety ny mpihira, na koa mety izy roa mitambatra...Mihaino karazan-kira maro be koa aho, na gasy na avy aty ivelany, fa mamelona ny hevitra famoronana sy ny aigam-panahiko izany...
Raha fintinintsika ny lalana nodiavinao ?
Ny azoko ambara :
- 11 taona niakatra an-tsehatra voalohany,
- Nanafana sehatra maromaro fony mbola vantony, tao amin'ny fokontany sy ny fiangonana, niaraka tamin'ny mpiara-mivavaka, ny mpiray tanàna (tamin'izany no nanomboka nifanerasera tamin'I Tôty ), fa indrindra ny mpiray tampo, nanafàna alim-pandihizana izahay tamin'izany fotoana izany, nanomboka namorona hira koa, ary nankafy ny fiarahana mihira teo an-davarangana...
- 1982: Niditra tao amin'ny Tarika ORO (Tarika nadalovan'ny mpanakanto malaza toa an'i Nono, Solo Andrianasolo, Arly Rajaobelina, Rolly Andrianjohary, Mamy Ralaivita, ary I Toty dia anisan'ny Mpitendry tao...). Tarika namokatra hira toa an'i Lasalasa ambiroa, Avelao any, sady nanafàna fety isan-karazany....
- 1984: niditra ho mpihira tao amin'ny Café Théatre Speedy, ary nihira teny an-tsehatra isaky ny zoma sy ny sabotsy alina, tamin'izany no niforonan'ny Tarika Speedy Band, sy Tritra avy eo... Tao no nanombohana nihaino sy nilalao karazan-kira maro toa ny jazz, tao koa no nampirona ny saina tamin'ny fampivadiana ny loko samihafa ao anatin'ny asa famoronana ... Ireo mpitendry nifandraisana sy niaraha-niasa tamin'izany no tena tompo-marika tamin'io (Ndrina, Tôty, Pana, Datita Rabeson, Elysé, Naivo...)
- 1986: Namoronako ny hirako voalohany: "Ho an'iza ny masoandro", hira izay nandraisako anjara tamin'ny Fifaninana "Découvertes RFI" ary nahazoako ny loka "Prix des auditeurs"
- 1987: Volana Aprily, niakatra an-tsehatra irery voalohany nitondra ny anarana Lalatiana, ary nihira tao Madagasikara sy taty ivelany avy eo......
......dia mbola mitohy izany hatramin'izao...
Tokony ho firy eo ny salanisankira ?
Tsy dia fanaoko ny manisa hoe impiry fa tsy misy dikany amiko izany amin'ny lafiny kanto
30, 60, 100?
Ary raha ny isan'ny raki-kira ?
2000: Ianao namako, 13 hira, Famahoana Rija R/LLT
2006: Tsotra ihany, 11 hira, Famahoana Jejy Mozika
Inona no dingana manaraka ?
Ny Famolavolàna ny hamoahana ny kapila manaraka, no imasoako izao, fa tsy manana daty atolotra aho raha ny hivoahany marina. Toy izany ihany no efa nataoko tamin'ireo teo aloha...
Fiakara-tsehatra manaraka ?
- 6 Jona, fampisehoana manokana any Bordeaux,
- 26 juin 2009 any Nogent sur Oise : Fampisehoana ao anatin'ny fankalazàna ny fetin'ny fahaleovan-tena, sy fandraisana anjara amin'ny fiaraha-miasan'ny faritra Picardie sy Madagasikara,
- 4 jolay: fampisehoana manokana Départemanta 91,
- 11 jolay: fampisehoana manokana any Toulouse,
- Novambra: fampisehoana any Poitiers...
Ny Faha 26 jiona ho an'ny malagasy rehetra eto Frantsa , misy antony manokana ?
Misy lanjany manokana amiko ny manolotra anjara-biriky amin'ny asa fampandrosoana indrindra fa ho an'i Madagasikara. Raha ny talentako no antsoina ho amin'izany, dia vonona aho. Tsy vao izao izany no nataoko, fa efa hatry ny ela no niantsoana ahy hanantanteraka hetsika toa izany...
Inona ny zava baovao ho an'ny mpakafy anao ?
Ny fiakàrako an-tsehatra dia zava-baovao foana, satria ny seho rehetra amiko dia samihafa daholo.. Ny zavatra mbola tsy mahazatra ny olona angamba dia ny mozika manaraka ny hirako amin'izao fotoana izao, izay somary nohamaivanina, fa izany no mampisongadina ny aingampanahy vokarin'ireo hira hiraiko. Ny hafanàn'ny hira anefa ao foana, ny hira koa tsy miova...
Raha ny hira hiraina indray dia mazava ho azy fa amin'ny fampisehoana toy izao no hampisehoana izay vaovao...
Misy teny tianao hampitaina amin'ny mpakafy anao ve ?
Raha mbola omen'ny Nahary tombon'andro aho, ary isaorako Azy izany, dia mbola hihira foana, ary hanandratra izay talenta nomena ahy mba hitondra hafaliana ho anareo mpankafy.. misaotra amin'ny fankasitrahanareo, fa hery lehibe ho ahy izany sady mamporisika ahy handroso foana...
Torohevitra ho an'Ireo tanora izay maniry hanaraka ny dianao ?
Lalàn-davitra no nalehako teo amin'ny sehatry ny mozika, ary tsy voatery ho tsara foana ny zavatra niainako tamin'izany. Nofikiriko foana anefa ny nofiko, dia ny hanao izay zavatra mahafinaritra ahy ...ary tsy mbola niova tamin'izany aho hatramin'izao... Tsy mahatsiaro ho efa tonga aho na koa ho feno tanteraka fa mbola miezaka mampivelatra izay efa hananako, ka izay rehetra hitako sy henoko dia ampiasaiko avokoa hizorako ho amin'izany.... Nahasoa ahy izany ary fantatro fa hahasoa ny rehetra koa...
Tsy lesona omena nefa fa pi-maso kely monja...
Itw de Lalatiana
recueilli par G'sam pour Takariva.com
Mai 2009
plus d'infos
+ d'articles
commentaires