Poopy
publié le 13/05/2010 - 15h26, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

Poopy-Takariva.com
ny tontolony
Ho feno 30 taona no hahatongavan'i Poopy tao anatin'ny zava-kanto, Nanomboka tamin'ny taona 1983 izy no niditra tao amin'ny tarika Njila , raha nandao izany izy tamin'ny 1989 .
I Naivo vadiny no mitantana ny tontolon'ny asany, eny hatramin'ny fomba fitafy aza !
Tsetsatsetsa tsy aritra ihany ity farany fa mpamorona no mpampiakanjo an-dramatoa, miainga avy amin'ny sari-tsain'ny mpanankato, tanterahin'ity mpajaitrany , izay manome sosokevitra maromaro, ary izany no vokatr'ireo fitafy hoentiny mpanankato, izay be mpakafy tokoa nandritra ny taona maro izay .
Raha ny tao volo indray dia arakaraky ny vanimpotoana , na ny hatairatairana tahaky ny andriambavilanitra rehetra e !
Tamin'ny taona 1990 namoaka ny rakikira voalohany irery ny mpanakantontsika , 8 ny isan'ny kapila nantontany hatreto, ary 5 kosa sy kapila mangirana .
Ny voalohany tamin'ireo dia Ranarivelo no nanantotosa azy, izay nantonta sy naely hatrany Japon , ny ambiny kosa dia ny mpihira no nanoratra, ary i Naivo no nandrindra ny feony !
Tsiahivitsika fa ny raikikira faha telo dia novokarin'ny BMG Afrique du sud , mpamokatra faharoa eran-tany aorian'ny SONY, niaraka tamin'ilay rakitsary Ampianaro, tamin'ny fiteny Anglisy sy
Malagasy; BMG izay tsy zivina raha tsy hanome afa-tsy ramatoa Whitney Houston izay anisan'ny mpanankanto novokariny .
Mandalo any Frantsa isan-taona ny mpanankato indrindra rehefa faran'ny taona .
Solontenan'ny
Madagasikara ihany koa izy any Tanzanie , amin'ny fanentanana amin'ny fampinonoana miaraka amin'ny UNICEF .
Ny zanany lahy dia mitendry , raha ny fahitany ny zanany vavy kosa dia handihy, anefa dia samy mihira , nefa tsy hanakana na hanery azy ireo, ity reny mpanankato, amin'izay hahasoa azy ireo, ao aoriana !
Nangonin'ny Sam Ralantoarison
plus d'infos
+ d'articles
commentaires