Tiana
publié le 24/11/2007 - 03h16, par TAKARIVA / Takariva Webmaster

tiana-facht
" ... ny mozika malagasy eran-tany "
Mpanakanto tsy zivina amintsika i Tiana , anisan'ireo nampahafantatra ny mozika malagasy ivelan'ny Madagasikara .
TK : Miarahaba anao Tiana ! anisan'ny dingana lehibe teo amin'ny nodiavinao ny nandalovanao ny nosy La reunion ,azonao lazaina ve ny antony ?
Tiana : Efa nanao fampisehoana taty La Réunion foana aho nanomboka t@ 1995 ; 2001 kosa narary aho ary nlefa haingana taty dia manohy ny fitsaboana ,fa efa mety ny fahasalamako
TK : Inona no tena tanjona ?
Tiana : Ny tanjoko dia ny hampahafantra ny mozika gasy eran-tany ary koa hampivoatra azy io satria fantatro fa haren-tsaina azo havadika harena ara-toekarena izy io ary mety hampivoatra koa ny toekaren'i Madagasikara
TK : Mihira amin'ny teny vahiny Tiana ?
Tiana : Tsy mihira tanteraka amin'ny teny créole aho fa iray amin'ny hira 60 navoakako ihany, ary noho ny fangatahan'ny namana créole vitsivitsy
TK : Mino izahay fa maro ireo niara niasa taminao , vahiny ve ny ankabeazany ?
Tiana : Be dia be ny niara-niasa sy miara-miasa amiko , tsy gasy ihany fa misy créole mazava ho azy, misy afrikana, misy amerikana, misy espaniola, misy sinoa , ary mifanakalo traik'efa izahay .
TK : raha miresaka rakin-kira isika , inona no azo ambara ?
Tiana : Miharina na renaissance no farany nivoaka tamin'ny 2005 , fa tsy nivoaka tany Madagasikara noho ny antony sarany lafo loatra ka sarotra ny hampandoa ny tena vidiny amintsika malagasy; dia teto amin'ny nosy la réunion ihany izy no nivoaka ary misy fangaro teny ny sasany, mbola nifototra tamin'ny mozika gasy sy kreolina ny ankapobeny , tsara ny nandraisan'ny olona azy teto
TK : Mpanakanto manana ny lazany ianao , ary nitazona hatrany ny nahamalagasy, inona no heverinao nahazonao ny fon'ny vahiny hankafy anao ?
Tiana : Hafa noho ny mahazatra azy ireo ny ataoko dia tiany, ny mozika gasy koa ankafizin'ny vahiny tsara satria tsara tsotra izao .
TK : inona araky ny hevitrao no nahazahoanao ny fon'ny malagasy?
Tiana : Hira tsotra tonony tahaka ny "MIALA TSINY AHO MADAMA, na AZA HILAOZANAO ANIE AHO" no tian'ny malagasy , izaho tia mihetsiketsika koa tian'izy ireo
TK : Ahona ny fahitanao ny mozika malagasy amin'ny ankapobeny amin'izao fotoana izao ?
Tiana : Malalaka ny mpanakanto manao izay tiany fa mbola vitsy no mahalala fa afaka lalaovina sy iainana ary ivelomana tsara ny mozika gasy ka noho izany dia
betsaka no mbola mandika ny pop music avy Europe, toy ny fomba fihira amerikana sns....
raha any an-toerana (Mada) ny mpanakato dia marina fa izay tian'ny olona no ataony satria mila mivelona izy ,
be dia be ny tanora mihezaka ho vazaha mihintsy mba ho tian'ny olona any ,
soa ihany fa mba misy ihany ireo mpiangaly ny mozika tena gasy na navaozina aza dia ireo manao salegy sy tsapika izay hita mazava fa ireo ihany no matetika tafavoaka eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena! mazava be koa fa izay mirona any amin'ny World music no tena azo lazaina hoa mpanandratra avo ny mozika gasy satria voantso hisolo tena an'i Madagasikara matetika izy ireo ary vahoaka tsy gasy no mijery azy ! ny mahazatra mantsy dia mivoaka ihany ny sasany fa ny tanàna fotsiny no miova ny mpijery gasy ihany, vokany tsy mivoaka ny mozikatsika fa nentina nanantona antsika aty ivelany,tsy maninona koa io satria misy ny atao hoe embona sy tsiahy ka ny gasy aty am-pita dia faly koa mahita sy mahatsiaro izay nankafiziny fony mbola tany an-toerana!
Ny mozika gasy izany amin'izao fotoana izao dia mila mpanatevina eo amin'ny gadona tena gasy navaozina na novelarina mba ho azo amidy eo amin'ny tsena iraisam-pirenena fa tsy ampy io,
mila jerena ihany koa ny lafiny maha kolotsaina azy na eo amin'ny soratra na eo @ gadona,
hitako be loatra ny mamoaka hira handihizana amin'izao fotoana izao satria io hono no be mpividy ;Mahafinaritra ahy koa ny hiran'i Ricky satria miainga @ gadona gasy , feno fikarohana ary misy ventikevitra be ny tononkirany
IREO MPANAKANTO MALAGASY ANKAFIZINAO ?
Izaho dia tia be loatra ny gadona gasy misy fanahy gasy ka tia be an'i Mama sana sy i Nivo Rahoerason, i Mama sana dia nametraka lova voajanahary be t@ gadona nananany ,mbola ilay gasy tsy namboarina, i Nivo kosa nitondra fivelarana be teo @ mozika gasy ka tafita ny nanaovany ny ba-gasy ho jazz, izy rahateo taratry ny mpanakanto vehivavy feno satria sady pitendry batterie, no mpihira tsara feo be no hainy daholo ny miangola @ gadona rehetra
mpanakanto ankafizinao @ ireo mpanankato mbola misondrotra ?
mahafinaritra ahy ny bahan-kiran'ilay hoe Damama,
TK : Iza no mpanakanto vahiny ankavizinao indrindra ?
Tiana : be loatra ny mozika henoiko ary ankafiziko daholo, mirona bebe kokoa @ Jazz tsotra : Aretha Franklin , Ella Fidgerald, ultramarine, sixsun sy world music aho ka eto La Réunion dia tiako be i Meddy Gerville, ny hafa indray dia Ry Richard Bona, Touré kunda, Rokia Traoré, Angelique kijo .
TK : Manaiky ve ianao hizara amin'ireo mpanankanto vao misondrontra na ireo efa manana ny lazany hanaraka ny dianao ?
Tiana : Efa nisy ireo naka torohevitra taty amiko dia tsy nisorona aho fa nanome, tsy dia mbola tena hoe ilay efa lasa lavitra be ireny anie aho e izay mba kely ananako dia zaraiko ho an'izay mila
TK : manomboka mahazo vahana ny horonan-tsary eto madagasikara ? manam-panirina @ izany ve ianao ?
Tiana : Ny kanto tena izy amiko dia tsy anarahana lamaody ! na ao aminao izy na tsy ao aminao, fa tsy hoe ra lamaody ny evanjelika fa mba hanao aho ,na lamaody ny film fa mba hanao aho , "art " io ka mila talenta sy fahaiza manao ry ise a!, niangaviana aho nanao court metrage niaraka t@ Zafihita dia nanao fa hitako hoe tsy havanana aho , tsy hanao sary mihetsika aho ka!
TK : Ny fampisehoana nataonao farany teto madagasikara ? tany ivelany ?
Tiana : Efa tena ela be angamba t@ 1999 ny tournée farany .
2005 tany Sete nilalao tamin'ny mairies sivy tany amin'ny faritra atsimo iny Millau, Sérigna, Sète, Montpellier etc, rehefa avy nanao DOnia,
2006 indray dia nanao ny mairie rehetra teto la réunion, sady nanantontosa ny album vaovao
Ny fampisehoana farany dia festival sakifo off 03 aout , Ravine des Cabris 29 sept
Dia lasa tany dago aho hanomana ny fivoahan'ny rakikira faha 5 atao hoe IBESAFIRA, vao tsy ela akory hamarin'ireo lahatoratra mivoaka any an-toerana izany
TK : Ary raha mikasika ny dingana manaraka ?
Tiana : 2 taona no nanomanako an'ity album "IBESAFIRA ITY "ka hivoaka eto aminny Nosy la Réunion izy amin'ny 07 decembre " Théatre de l'Etang Salé" ,
ary havoaka ofisialy eto Madagasikara amin'ny faha 29 dec ao amin'ny cercle gérmano malagasy sy espace TVM !
world music ranoray izy io fa ny fototra dia gadona gasy, misy jazz kely ary vao nolalaovana an-tsehatra indray mandeha dia mba hita fa voarain'ny olona tsara ka nahazo "contrat "maro izahay
dia ny 14 oct à Maduran, 28 octo PIton St Leu, 10 nov, ao ST Louis, 18 dec BOIs d'Olive, 22 dec Ravine ST Leu, 26 oct téléthon avec antenne Réunion tv.
amin'ny 15 ,16, 17 novembre dia hisy "Colloque internationale sur la musique malgache any Antananarivo ary ireo mpanakanto monina any ivelany no voaantso any ka anisan'izany aho ,
ny thème dia changing cities, changing spaces raha tsy diso aho , alefa mivantana @ télévision allemande sy tvm izy io , i Ricky no tompon'andraikitra mikasika io .
Niova fenitra aho amin'io album io satria vokatry ny fifanakalozana traikefa taminireo ireo mpanakanto kalaza samihafa fihaviana ,sy ny fanembonako ny any an-tanana ary indrindra ny fikarohana kely nataoko momba ny mozikatsika no nahateraka an'io album IBESAFIRA io !
Misaotra anao Tiana nanaiky hovahininay eto amin'ny takariva.com, maro izay voalaza teo izay , misy hotsakotsakoana , ka dia mirary soa sy fahasalamana feno ho anao amin'ny dingana manaraka ny ekipan'ny takariva
"On ne peut etre plus fièr d'etre malagasy lorsqu'on entend un de tes morceaux dans des restaurants créoles parisiens , et dire à tout le monde , elle c'est une malagasy "
Itw par G'sam pour Takariva.com
Novembre 2007 - La Reunion
plus d'infos
+ d'articles
commentaires